Ari.malala

I Antenainako

ari.malala | 16 Martsa, 2006 23:08

Malalatiana Toky Antenaina Ndimby Fandresena no anarany, t@ 04/11/99 @ 9 sy sasany no tonga teto an-tany nanilo sy namelona ny fiainako sy ny fanantenako. Somary sarotsarotra ihany ny lalana nodiaviny vao tafavoaka izy, satria ny 03/11/99 hariva @ 6 sy sasany hariva no vaky ny ranondohany, fa ny ampitso @ 9 sy sasany maraina vao tafavoakako izy, efa mangana sy tsy nitomany intsony fa novelomina... Toy ny 10000taona ny niandrasako ny tomaniny voalohany, ary vao naheno azy nitomany aho dia latsaka ny ranomasoko, ranomasom-pifaliana! Arahaba tonga soa Tokin'i Neny! Ho an'ireo efa mpamaky ny momba ahy ao amin'ny namana.serasera.org dia mahalala tsara hoe iza izy, ny sariny no saika mameno ny pejiko any, fa ho fanomezana fahafaham-po antsika mpitsidika dia hapetrako ato ihany ny sariny e.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb