ari.malala | 15 Janoary, 2007 07:12
ari.malala | 15 Janoary, 2007 07:08
ari.malala | 12 Janoary, 2007 07:11
Mbola ny 02 jolay 2006 no tokony hahatongavanao nefa ny 31 may dia efa tonga ianao, somary nanaosarotra ny nahazoana anao sy ny fahatongavanao!
Amin'ny 12 ora atoandro, nahatsiaro toy ny misy rivotra ny kiboko dia niantso namana iray aho, raha mbola variana nifananihany sy nifanadala tamin'ny telefona teo izahay roa dia tsy naninona iany ny kiboko. Mbola nanoratra to @ forum serasera aho tamin'io andro io, nisosa ny fotoana, tsy maninona ihany hao, tonga ny tamin'ny 4ora, nahatsiaro hafahafa indray aho ka nankany am toilettes ary nony nojereko io fa efa misy fambara, ka niantso ilay namako indray aho. Ny teniny voalohany dia ndana mody. Tsy maintsy niandry taratasy avy tany @ birao anefa aho voa afaka nody ka nony tonga ny tamin'ny 6 latsaka fefany dia lasa nody aho rehef aazoko ilay taratasy ary tonga dia nijery dokotera no natao. Nilaza ny dokotera fa efa misy dilatation io ka tsy maintsy nankany amin'ny hopitaly izahay sy neny.Tonga tany dia nolazain'ny sage femme fa tsy mbola ho teraka anio aho fa mbola matanjaka tsara ,ka nasainy nilahatra aloha, te anefa dia niha nanaikitra iany ilay kibo, ary nasain'ny sage femme niakatra aho hojerena. Nalaina ny tension niakatra 15, nony notsapaina dia hita fa ny tadimpoitra no nidina ambany ka tsy maintsy noraisina urgent aho. Nividianana serum hamakiana ny ranondohany satria tsy mbola vaky akory io nefa ny ra efa mandeha iany. Natao ny echographie, efa miha reraka ny fon’ilay zaza ar yizaho koa efa tena hita reraka sy hatsatra noho ny ra mandeha iany, efa hoe hodidiana nony tonga ny tamin'ny 9:50 alina dia nahatsiaro te hanena mafy aho ary niera raha afaka manena, nanaiky ny dokotera ary dia iny zazalahy kely dia kely no nivoaka any any, mangana avokoa ny tenany iray manontolo, tsy niaina akory fa vao novelomina ary elaela iany no namelomana azy. Rehefa velona sy nitomany dia izay vao nisento tokana aho fa azo iany ny zanako! Tonga so aAmbinitsoa kelin'i neny!! 2,100kilo fotsiny no lanjanao satria tsy tonga volana ianao!Noho ny fitahian-Janahary anefa dia dongadonga mahafifaty ery ianao amin'izao fotoana izao!
ari.malala | 03 Aprily, 2006 22:46
Les amis sont des bijoux rares, ils te font sourire et t'encouragent.
Ils sont prêts à t'écouter quand tu en as besoin, ils te
soutiennent et t'ouvrent leur coeur.
Montre à tes amis combien tu les aimes".
Un des bonheurs de l'amitié c'est de savoir à qui
confier un secret
Donne aux gens plus que ce qu'ils attendent et fais-le avec goût.
Lorsque tu dis "je t'aime", dis-le sérieusement
ari.malala | 21 Martsa, 2006 22:32
ari.malala | 21 Martsa, 2006 04:28
ari.malala | 21 Martsa, 2006 04:22
hira iray ifampizarako aminareo indray e
(tohiny)ari.malala | 21 Martsa, 2006 04:15
Hira mampangoly fo e
(tohiny)ari.malala | 17 Martsa, 2006 05:57
ari.malala | 17 Martsa, 2006 05:33
02/01/00 Natao Batemy tao @ EKAR Md Etienne Ambanidia i Toky, aoka izany ny hafaliako fa nahazo fahasoavana ilay zanako malalako!
Tsy àry ho tadidy eto daolo ireo daty nanombohany naniry nify, fa t@5 volana sy tapany izy no nanomboka nitsiry nify voalohany, ilay tebiteby fa nanavy ilay zaza kely! ny kaikitra kely ataony rehefa minono satria mangidihidy azy ny hihikeliny.
Fahoriana tsy maintsy natrehako voalohay fa vao 6 volana izy (volana may 2000) niditra hopitaly Toky kely fa narary nivalana be! Efa naika nafoy satria raha tara 2 min ny nahatongavanay tao @ hopitaly dia tsy azo ny ainy... Ny tena mafy sy henjana indrindra tamiko dia ny nahita ny nampidirana ny fanjaitran'ny serum tamin'ny lohanjanako! Ankon'ny tomany ilay sombin'ny aiko, mafy tamiko nefa tsisy azoko natao satria famonjena ny ainy no natao. Isaorana an'Andriamanitra moa fa avotra soa aman-tsara ihany ny ainy, ary hadimiana ihany dia nody izahay fa efa tsara izy.
ari.malala | 17 Martsa, 2006 00:28
ari.malala | 17 Martsa, 2006 00:26
ari.malala | 16 Martsa, 2006 23:08
ari.malala | 16 Martsa, 2006 20:53
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |